Henoko ianao nandalo Hoe: Haka tso-drano Tso-drano nomeko anao efa marobe Hitako ny sms-nao, manamamo Mba lanjalanjao ihany ny vavabe Menace-nao tafahoatra, feno ny fb Manala-tena, tsy menatra eh! Tsy haiko ny atao anao 'ty ramose Ny halaheloko, ny hatezerako be dia be Tsy haiko ny atao anao 'ty ramoseko ôh! Mbola tsy te-hiverina aho, fa sao manenina Henoko ny antsonao, fa tsy voaraiko Tatasiaka tsy misy farany, ka tsy haiko Henoko ny dédicace-nao fa tsy nilaiko Kafara tsy mety vita, marary zaho Tsy vitan'ny mikiakiaka, fa manaliaka Tsy te-hiaina an'izany aho, na iray minitra Tsy haiko ny atao anao 'ty ramose Ny foko, tsy mety tony fa leo be Tsy haiko ny atao anao 'ty ramoseko ôh! Zaho sady te-hiverina, no te-handeha Nefa aminao ihany 'ty fo adala Lay nandrako nafindra, fa tsy tamana Zaho mbola te-hiantso anao malala ôh! Tsy maintsy mbola hiverina ihany aho Fa andraso any... Nefa aminao ihany 'ty fo adala Ianao ve no tena tsara, sa hoe zaho no tara Kara raha olona azon'ody aho 'ty chérie eh! Tsy mety manadino, ka halamino Ny foko, tsy mety miala, tsy miova Ka raha misy fotoana kely, dia mandalova