Kishore Kumar Hits

Samoela - Mambabo lyrics

Artist: Samoela

album: Hivazo Samoëla Vol.4


Pôliko avy lavitra aloha... Tsara eh!
Dinihiko ny lafiny roa
Ny avy ato afara, sy ny avy ao aloha
Vao miresaka dia mambabo fo... Tara eh!
Mampitahotra fa toa mpaka fo
Maketsy, ary koa makaroa
Fa tsara hono ianao, tsara eh!
Mahatara hono ianao, tara eh!
Mambabo hono ianao, babo eh
Ianao io
Manakorotana ny be sy ny maro
Mampifamototra, no mampifangaro
Mahasondriana an'iretsy mpandalo
Mampisaritaka an'ireo saro-piaro
Ny manja aloha, dia manja tokoa... Manja eh!
Mampi-tourne ny zanak'ati-doha
Mampiasa loha, sady manimba fo
Ny tsiky aloha dia meva tokoa... meva eh!
Fa ilay revy no toa kitoatoa
Lava tongotra, no tia miara-droa
Avy ianao 'zay
Mahafatifaty, nefa sady masay eh
Avy ianao io
Mandravarava, miseho azy tadio
Tsy mihevitra ny hanozona fa
Sao hiantso vonjy raha totonan'ny trozona eh!
Tsy mirary loza fa
Ratsy be le misy soratra foza eh!

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists