Kishore Kumar Hits

Samoela - Malala lyrics

Artist: Samoela

album: Hivazo Samoëla Vol.4

Malala, malalako o o o
Mba mandray kifafa kely ianao androany
Malala o o o
Dia rehefa vitanao ny sasa ny vilany sy lovia
Dia mba atao ny lakozia
Malala, malalako o o o
Anio mba ataonao ny sasa lamba
Dia aza avelanao hanorisory
Aza asiana lonilony fa fitiavana daholo izany
Dia aza avelanao hanorisory
Aza asiana lonilony fa fitiavana daholo izany
Fa reraky ny manompo anao aho
Leo manao izao sy izao ho anao
Marary be ny lohako
Dia mampaninona moa raha toa ianao tena tia tokoa
Androany ihany izany mba atao
Fa reraky ny manompo anao aho
Leo manao izao sy izao ho anao
Marary be ny lohako
Dia mampaninona moa raha toa ianao tena tia tokoa
Androany ihany izany mba atao
Malala, malalako o o o
Aiza ny hahavitako izany rehetra rehetra izany
Malala ô
Fa rehefa vitako le sasa ny vilany sy lovia
Dia mbô ataonao le lakozia
Malala, malalako o o o
Kôzy raha mba haiko izany sasa lamba izany
Ka aza mba mifanorisory
Fa mba tsy hisian'ny lonilony
Dia izaho aza mba atao izany intsony
Ka aza mba mifanorisory
Fa mba tsy hisian'ny lonilony
Dia izaho aza mba atao izany intsony
Fa reraky ny manompo anao aho
Leo mamelona anao
Mbô marary koa ny lohako
Dia mampaninona moa
Raha toa ianao tena tia tokoa
Izany rehetra rehetra izany mbô ataontsika roa
Fa reraky ny manompo anao aho
Leo mamelona anao
Mbô marary koa ny lohako
Dia mampaninona moa
Raha toa ianao tena tia tokoa
Izany rehetra rehetra izany mbô ataontsika roa
Dia rehefa vitantsika roa daholo izany rehetra rehetra izany
Fitia mifamaly
Mandrimandry ny tany

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists