Kishore Kumar Hits

Samoela - Maika aminao (Mahery & Groupe RAN) lyrics

Artist: Samoela

album: Hivazo Samoëla Vol.3


Fitiavana anao mahamaika mifoha
Ny ho anilanao no tsy afaka an-doha Mila anao aho matoa tonga aty
Fitiavana anao no anton-dia Mandondona aho, ka ho vohainao sa tsia
Ho jaly sy tomany raha sanatria
Ny saiko sy nyaiko, fanahy
No efa anao fa tsy ahy
Ngôma anao zaho
Matinao zaho niany ty
Maika aminao
Fa mandry sa matory ity masonao baribary,
Boribory io
No toa tsy hitanao akory Ity fitiavana tsy miafina fa miharihary Naseho anao maraina,
Aseho anao atoandro,
Aseho anao hariva
Fa ianao no mihenahena,
Tsy mandray izay omena
Mafy loha, mafy fo
Tsy tadidinao akory ilay izaho nadiny Anao omaly iny
Efa dila be ny ora Izay ianao vao nody tonga,
Zaho namaly tsy manahy
Tsy mba tsapanao akory,'ty fon'ny bandy:
Misentosento, mitempotempo Mitakerikerika mitady,
Hay ianao misangy
'Lay tia anao: mandona, manery
Ny tsy anilanao manokatra fery
Ngôma anao, matoa tonga aty
Ny ho fihininao, no anton-dia
Malailay aho, ka tianao sa tsia
Raha tandremanao, zaho tsy hania
Ny saiko sy ny aiko, fanahy
No efa anao fa tsy ahy

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists