Fitiavana anao mahamaika mifoha Ny ho anilanao no tsy afaka an-doha Mila anao aho matoa tonga aty Fitiavana anao no anton-dia Mandondona aho, ka ho vohainao sa tsia Ho jaly sy tomany raha sanatria Ny saiko sy nyaiko, fanahy No efa anao fa tsy ahy Ngôma anao zaho Matinao zaho niany ty Maika aminao Fa mandry sa matory ity masonao baribary Boribory io No toa tsy hitanao akory Ity fitiavana tsy miafina fa miharihary Naseho anao maraina Aseho anao atoandro Aseho anao hariva Fa ianao no mihenahena Tsy mandray izay omena Mafy loha, mafy fo Tsy tadidinao akory ilay izaho nadiny Anao omaly iny Efa dila be ny ora Izay ianao vao nody tonga Zaho namaly tsy manahy Tsy mba tsapanao akory,'ty fon'ny bandy: Misentosento, mitempotempo Mitakerikerika mitady Hay ianao misangy ‘Lay tia anao: mandona, manery Ny tsy anilanao manokatra fery Ngôma anao, matoa tonga aty Ny ho fihininao, no anton-dia Malailay aho, ka tianao sa tsia Raha tandremanao, zaho tsy hania Ny saiko sy ny aiko, fanahy No efa anao fa tsy ahy