Io aloha no misy! Io aloha no eo Mila asiana tsikitsiky Zay zavatra miseho Andriamanitra ambony ao Tsy afa - miangatra ho anao Fa raha 'ty moa par tour Dia Tour-nao zao Zay ilay fiainana eto an-tany Ndraindray mety ambony Mety ambany Fonosy vy mbola tsy lera Fa tsy maintsy mihodina ny sera Sanatria tsy manambany Tsy ampahafiriny any zany Mba jereo ny akaikinao Fa mangidy noho ny anao Ry Kala lija makorelina Ry Doara hiverina eny am-ponja Ry Gila be le - mpanapoaka Niharan'ny tena fitsaram-bahoaka Mivangongo be ny olana Isika miady, mifanolana Zaka be tsy normaly Ho faty ihany no iafarany Sanatria tsy hoe mandatsa Fa izay miezaka no tafa Raha taraina lava tsisy farany Androrosy no anarany Sanatria tsy ratsy saina Fa mila potserina ny vay Mila mijoro rehefa ilaina anie Manontany rehefa tsy hay