Kishore Kumar Hits

Samoela - Raha Ho Avy Ralala lyrics

Artist: Samoela

album: Radio N'ambanivolo


Raha ho avy Ralala ny taona hodiako
Ao ambanin'ny tany tsindrian-drangolahy
Ka vato no solo kidoro hatoriako
Izao no mba zavatra hataovinao ahy
Voleo voninkazo eo an-dohan'ny fasako
Fotsy sy mavo ary manga sy mena
Ka avelao haniry eo mandram-pifohako
Mba hatsiarovako ilay fanekena
Ny fotsy ho marik'ilay fahadiovana
Misy aminao tsy mba azo lotoina
Soratra velona tsy azo vonoina
Io no horim-bato izay nifanaovana
Ny endriny mavo,ny fofony manitra
Dia fivavahana ataoko any an-danitra
Mba hitsinjovany anao tsy ho irery
Ombany raha sendra tsy misy mpijery
Ny manga ho marik'ilay fihafiana
Niaraha-niaritra zava-mangidy
Dia ilay andro namoizana ilay fifaliana
Niaraha-niaritra zava-tsy fidiny
Ny mena ho taratry ny afo tsy maty
Mirehitra lava ao anaty ny foko
Io ilay fitia fitia tena anaty
Fitia vokase sy voatomboka loko
Ny fasako ataovy eo an-drefan-tanana
Ataovy mikasika ny ila-kamory
Soraty eo ny tenin'ny fanantenana
Tsy maty aho akory fa mbola matory
Ny moron'ny rano voleo volotara
Ka jerijereo aza avela ho maina
Tarafo eo aho fa tsinjonao tsara
Tsy hiala eo aho raha tsy efa maraina
Na dia maty aza anie izany tenako be
Ka hiraraka an-tany ny rà ao am-poko
Ny fitiavako anao ka betsaka anie
Tsy mba ho faty tsy mba ho lo

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists