Kishore Kumar Hits

Samoela - Manantena lyrics

Artist: Samoela

album: Maha-Domelina


Dia niantso indray ianao; manontany vaovao
Hoe: Azon-tory ihany ve? Sa mbola degany be? Ny hatezerako!
Dia mbola miantso foana ianao; manadiady, manontany
Hoe efa mandry ve ny tany? Mba nanadino ve ny loha? Efa nitony ve ny fo!
Raha te-ahafantatra an' izany ianao malala an!
Tsy mila miantsoantso izany; efa hainao hatry ny ela, ilay
Samoela Samoela; mbola aminao no manantena ôh!
Raha te-ahafantatra an' izany ianao malala an!
Aza lany andro manontany!
Ny fanafodin'izany, kobonao avy hatrany; fa ny fahatongavanao eto ihany
Fa mahay zavatra Andriamanitra ôh!
Mahita anao aho ka finaritra; adino teo ilay ady varotra!
Fa mahay zavatra Andriamanitra ôh!
Mampiadana ary mahafinaritra; nandositra any zao ny sarotra!
Dia mbola miantso iandray ianao; tsy manan-tongotra, sa reraka an!
Dia zaho eto maminany, lasa saina be ihany, hoe: Amin'ny firy raha androany
Dia mbola miantso foana ianao; tena reraka, tena valaka an!
Dia izaho eto manontany, hoe: Misy ihany ve androany?
Dia amin'ny firy ary izany eh!
Raha toa ka ho tonga ihany ianao malala an!
Tsy aleo ve mba izao dia izao
Fa efa niandry aho hatry ny ela, dia mbola eto mihenahena, miesona eto manantena ôh!
Raha taratara ihany ianao vao ho afaka malala an!
Dia aza maika rehefa avy eo
Sa izaho ve no tsy ampy kandra, sa izaho no tena nandranandra
Fa ngôma anao aho lalandava!
Lazaiko anao ny tena marina ôh!
Matoa aho tsy mody fanina; tiako isika roa milamina
Dia lazaiko anao ihany koa; raha toa ka samy be loha, simba be ngeh isika roa!

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists