Kishore Kumar Hits

Samoela - Fanjakana Mahavoa lyrics

Artist: Samoela

album: Maha-Domelina


Raha fanjakana mahavoa dia manao asa soa, mahita apoaka raha misy manjo
Raha mpitondra hendry mahay miady mafy an!
Mahita vola raha misy ny jaly
Raha fanjakana mahavoa, tsy mivadika horera, mila hajaina ny teny nomena oh!
Raha mpitondra milay, mila mahakarakara
Mila mahay sady mangarahara oh!
Izay h'aho no nambarako anareo, nambarako anareo, nambarako anareo taninkeo!
Hoe: Ilay gasy mijaly, ilay gasy tomany, ilay gasy marary; voretra velona!
Fahadiovana no anton'izany...
Hoe: Ity valan'aretina, ny kolera, ny pesta, ny areti-kibo mafy, plus lagaly
Mila vola vao ho ringana izany...
Mila teti-bola re iadivana amin'izany an!
Mila fanentanana hatreny am-pokotany an!
Mila rano madio re ny be sy ny maro ôh!
Mba tsy ho fatifaty foana, ka hidiran'angano... an!
Raha fanjakana mahavoa, tsy manao kitoatoa, mitsakaraka foana, raha misy mahasoa
Ôh! Raha mpitondra hendry, mahalala ny tsara an!
Raha laharam-pahamehana, tsy odiana adala ôh!
Raha fanjakana mahavoa, tsy mivadika horera, tsy mody mitapy, rehefa nampanantena ôh!
Raha mpitondra milay, mahay mampivoatra...
Tsarain'ny tantara, no reven'ny vahoaka ôh!

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists