Kishore Kumar Hits

Samoela - Tantara Mitohy lyrics

Artist: Samoela

album: Maha-Domelina


Tsy maintsy mitohy eh!
Valala manjohy eh!
Tsy mbola androany ny faran'ny tany, ka lolo amin'izany!
Tantara mitohy eh!
Misy foana ny foy eh!
Misy vaovao hatrany
Tsy tapitra izany, ny fiainana an-tany!
Na misy sento, na zovy no pempo; ny tsara tsy miala eto ôh!
Iareto ry ireto ôh!
'Zahay mbola eto, 'zany mba eritrereto ôh!
Na misy ny tsy hita, na zovy mivika; ny tsara tsy mba ritra an!
Na zovy masiaka, na zovy maditra; io mbola hifankahita eh!
Na misy ny vinany; zaka foana izany!
Ataovy ao an-doha, fa tsy ianao no voalohany niharan'izany
Matoa tsy mahafaty eh! Samia mahatanty!
Ataovy an-doha, fa izay mahery fo no mahita ny soa
Na misy ny gafy, tsy akanay lagy!
Tsy manangana ady, fa fomban'ny gasy ny manadihady eh!
Na misy mangidy, na misy ny tsindry
Tsy mamono tena, na mivadika horera, raha mbola tsy lera!

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists