Kishore Kumar Hits

Samoela - Fitiavana Malaza lyrics

Artist: Samoela

album: Maha-Domelina


Fitiavana malaza be, malaza be eran-tany
Samy mila an'izany, mitady an'izany; samy manopo an'izany
Madama ianao, na ramose, kôfboay ianao, na sipa be, mena-vava ianao, na olon-dehibe
Tsy an-kanavaka izany!
Io fitiavana io ve maha-domelina eh!
Sa ny olombelona no tena adala be?
Fa marobe tsy nahatanty, marobe tsy mahafehy; nefa izy Zava-dehibe!
Ity fitiavana ity ve moly?
Sa ity fitiavana ity ve toaka?
Nefa mirevy azy dahôly, na i Kotofetsy, na I Pôly; makamaka eo ny vahoaka!
Ary tsisy nikôzy hoe aoka!
Ary tsisy nidongy hoe: Tsy mila!
Fa raha vao mahita jiro io; raha sendra ny tiany io; dia raisina eo io!
Misy mikôzy hoe fonja eh!
Fonjabe ho an'ny daholobe
Dia samy migadra ao daholo, mirevy ao ny vahoaka, ary tsisy te-hitsaoka!
Tsy rariny kosa raha fonja eh!
Sao mba voafelaka amin' izany!
Na be ny marary an-doha, na be ny marary fo, be koa ny mahita soa...
Fa raha fitiavana no bizina eh!
Nefa bizina ve dia ahadizina eh!
Sao dia miketritra nôfa, fa tsy tavavoaka, sady bikina, no gôka!
Fitiavana ihany, fitiavana. Fitiavana no anton'izany!
Fitiavana ihany, fitiavana. Fitiavana malaza be!
Fitiavana malaza be, dia samy kôpy daholo
Samy tia an'izany, mankafia an'izany, samy mirevy an'izany
Mpanarivo ianao, na kodiny be
Na MAGRO ianao, na TGV, na olo-masina, na degany be! Tsy an-kanavaka izany!
Ity fitiavana ity ve tena aretina eh!
Sa ny olombelona no tena kentrina?
Fa marobe ny mampihomehy, diso fanantenana, ka nivadika adala
Fa raha fitiavana no bizina eh!
Trafika be amin'ity vody be!
Sao dia mba lasa makorelina?
Miandry mpanolana amin'ny enina; sady atao no mitelina!

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists