Kishore Kumar Hits

Mahaleo - Jamba - Live lyrics

Artist: Mahaleo

album: Live à l'Olympia (Edition integrale)


Jamba aho eny jamba, nilaozana hazavana,
Ao anaty aizim-pito aho, aizina tsy azo ialana.
Loko tokana ihany, no mba navela ho ahy,
Dia ny maintimanty izay, tsy misy ny ankotr'izay.
Nefa rahavako aminao no hiara-dia,
Ka navelanao ho tazako ny lokon'ny fitia.
Nefa rahavako aminao no hiara-dia,
Ka navelanao ho tazako ny lokon'ny fitia.
Mona aho eny mona, tsy mba navela iteny.
Raha te hiresaka aminao, ny tànana no ahetsiketsiko eny.
Soa fa misy tànana aza, azo asoloko ny vavako,
Mba ahafahako milaza fa anao ny fitiavako.
Tsiky eny tsiky, no nasetrinao izany.
Tsy navelanao ho kivy aho raha mbola mila anao ihany.
Tsiky eny tsiky, no nasetrinao izany.
Tsy navelanao ho kivy aho raha mbola mila anao ihany.

Malemy aho, eny malemy, tsy afak'ijoro akory.
Enta-mavesatra ho anao, ahatonga sorisory.
Fiantrana fotsiny ihany, no maha tonga anao ho eto.
F'izay any am-ponao any, mandratra ka tsy tianao aseho.
Nofihininao ny tanako, ka hoy ianao oe mangina.
Fa ny andro sisa iainako, natokako anao ry tiana.
Nofihininao ny tanako, ka hoy ianao oe mangina.
Ny ranomaso naneniky ny tavako, ranomasom-pifaliana.
N'inona vohana mety itranga, tsy zanaky ny hafa ianao.
Ny voahary tsy tia banga, hisy hitoetra eo anilanao.
Ny jamba hisy hitantana, ny mona hisy handre.
Ny tsy salama vatana, hisy hampianatra hande.
Ny jamba hisy hitantana, ny mona hisy handre.
Ny tsy salama vatana, hisy hampianatra hande.
Ny jamba hisy hitantana, ny mona hisy handre.
Ny tsy salama vatana, hisy hampianatra hande.
P: fetraD10

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists