Ny rivotra mandalo ve No mitondra tadio Ny rivotra mifafy ve No mitondra io orana io Ny tany ve no ratsy Sa ny olona no efa lany vatsy Ny tany ve no boboka Sa ny olona no efa vizana sy drodroka Ny tany ve no ratsy Sa ny olona no efa lany vatsy Ny tany ve no boboka Sa ny olona no efa vizana sy drodroka Dia hoy aho hoe manontany tena Mba ho aiza ihany no hiafarana Gagagaga sy mihenahena Ny olona ao an-tanàna Voazara ho antokotokon'olona Voazara ho vondrombondron'olona Nozarainy ho fokofokon'olona Amin'izay angamba tsy ho vanon-kolona Voazara ho antokotokon'olona Voazara ho vondrombondron'olona Nozarainy ho fokofokon'olona Amin'izay angamba tsy ho vanon-kolona Iza moa no tsy mahalala fa izay mitambatra dia vato Mampisalasalasala anefa ireo mpanao afer izay nihamaro tato ho ato Mitombo ny isan'izy ireo Mitombo ny volan'izy ireo Miroborobo ny aferan'izy ireo Tsy laitra ny setrasetran'izy ireo Mitombo ny isan'izy ireo Mitombo ny volan'izy ireo Miroborobo ny aferan'izy ireo Tsy laitra ny setrasetran'izy ireo Ny rivotra manadalo ve no mitondra tadio