Ialahy, ialahy 'lay tsy matory Fa variana mieritreritra Ialahy, ialahy 'lay mieritreritra Tsy mety mahita tory a! Ny lalana nodiaviny toa miakatra sy midina Ny fiainana iainany manaraka an'iny Ny omaly hitan'ialahy Ny androany eritreretina Ny androany hitan'ialahy Ny ampitso eritreretina! Ny lalana nodiaviny tsy fidinana intsony Ny lalana nodiaviny efa lasa fiakarana O Ramiaramila ô, zay manana kaska tsara tarehy Lohanao iny ô, dia voasarona tsara O Ramiaramila ô, zay manana kaska tsara tarehy Sainao iny ô, tsy voasarona kosa Toa manahirana fa mivezivezy Ny fisainana ao anaty kaska Tsy mahatombona ny fisainana Fa mitady lalana ivoahana! Rehefa misy rotaka, Rehefa misy rotaka Mila hikorontana ny loha! Tsy maintsy tanterahina ny baiko miaramila Ka miady saina satria Any lavitra any e, ny vady aman-janaka Mivaralila ny ankizy any an-tanana Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana O Ramiaramila ô, izay milanja basy tsara tarehy Rehefa manana azy ô, dia manjary sahisahy O Ramiaramila ô, izay milanja basy tsara tarehy Iny basy iny ô, hitifiranao an'iza? Toa manahirana ny mandinika an'izany Toa manahirana ny mamaly an'izany Fa ny miaramila ho'aho mpanatanteraka ny baiko Hatraiza moa ny fetra hanarahany an'izany? Rehefa misy rotaka Rehefa misy rotaka Mila hikorontana ny loha! Tsy maintsy tanterahina ny baiko miaramila Ka miady saina satria, Ka miady saina satria Any lavitra any e, ny vady aman-janaka Mivaralila ny ankizy any an-tanana Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana