Kishore Kumar Hits

Bodo - Ny fahitana anao lyrics

Artist: Bodo

album: Best Of - Vol 1


Iriko foana ny hahita Anao
Hitoetra eo anilako
Hanao ireo teny mamy fanaonao
No ilaiko hoheno rahateo.
Kanefa izaho toa tsy izaho intaony
Noho ny fahitako Anao
Toa analany,toa ampitomboiny
Omeny toetra vaovao.
Fa izay rehetra nokendreko
Manjary adinoko avokoa,
Ianao no masaka ao an-doha
Fa tsy mahita izay jereko
Ireto masoko ankiroa
Fa jamba aminao tokoa
Ny sisa azoko atao, dia ny manankina aminao
Ny androm-piainako hatrizao.
Izay manintona aminao tsy haiko
Fa reko fotsiny amin'izao
Angamba koa tena efa voa ny saiko
Noho ny fahitana Anao.
Fa izay rehetra nokendreko
Manjary hadinoko avokoa
Ianao no masaka ao an-droha
Fa tsy mahita izay jereko
Ireto masoko ankiroa
Fa jamba aminao tokoa
Ny sisa azoko atao, dia ny manankina aminao
Ny androm-piainako hatrizao.

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists