Kishore Kumar Hits

Rija Ramanantoanina - Aleo lyrics

Artist: Rija Ramanantoanina

album: 30e Anniversaire


Aleo hiato
Satria tsy fitia
Tsy natao ho ahy
Tsy natao ho antsika
Izaho mbola tia
Ianao koa minia
Milaza fa hoe
Mbola tia, tena tia
Nefa tsy afaka intsony satria
Efa voafehy ny sainao
Na izaho na ianao de mitovy
Fa isika no mbola mihevitra fa:
Mbola afaka hitia, ankalalahana
Tsy mahatsiaro fa hoe 'fa voafatotra
Mbola afaka hitia, ankalalahana
Fa fitia diso aoriana
Mety ho tena marina
Aleo hiato
Satria tsy fitia
Tsy natao ho ahy
Tsy natao ho antsika
Izaho mbola tia
Ianao koa minia
Milaza fa hoe mbola tia, tena tia
Nefa tsy azo fefena ny fo
Ho tia na koa ankahala
Tsy hay fefena izay tia
Tsy hay hanarina koa mba ho hendry
Ka tsy hihevitra fa:
Mbola afaka hitia, ankalalahana
Tsy mahatsiaro fa hoe 'fa voafatotra
Mbola afaka hitia, ankalalahana
Fa fitia diso aoriana
Mety ho tena marina
Mbola afaka hitia, ankalalahana
Tsy mahatsiaro fa hoe 'fa voafatotra
Mbola afaka hitia, ankalalahana
Fa fitia diso aoriana
Mety ho tena marina

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists