Kishore Kumar Hits

Rija Ramanantoanina - Miandry Foana lyrics

Artist: Rija Ramanantoanina

album: Folo taona - Tantara Tsotra

Nandrasako ho tonga maraina gina foana teo aho
Nandroso hisakafo aho ny atoandro nangina ilay seza
Niandry handondona ihany aho ny hariva nandini-baravarana
Tsy tonga ianao tsy tonga ianao nipitrapitra teo aho

Fetiko androany fetiko androany, dia tsy tsaroanao ve?
Sa ninianao hoadinoina tsotr'izao fa inona no antony?
Fandrao dia tsy tianao intsony aho tsy manahy lazao ahy
Fandrao dia tsy tianao intsony aho tsy manahy lazao ahy
Raha toa izany raha toa izany hivavaka aho ho antsika
Mahazoa zay rehetrarehetra mety ilaina ianao ny anjarako fa vita
Ny sombin'ny tsara azo avy amiko no iriko ho vimbininao
Ny soa sy ny tsara azo avy amiko no iriko
Ho tehirizinao
Antenaiko ho tonga rahariva ilay kintan-kely anjarako
Fa na handao aho izy ampitso inoako fa hipody indray
Tsy mba toa anao tsy mba toy ny anao manepoka tsy hita
Tsy tonga ianao rehefa tsy tonga ianao tsy hipitrapitra intsony aho
Tsy mba tonga ianao tsy mba tonga ianao manepoka tsy hita
Tsy tonga ianao rehefa tsy tonga ianao tsy hipitrapitra intsony aho

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists