Kishore Kumar Hits

Ndriana Ramamonjy - Misaotra anao zahay lyrics

Artist: Ndriana Ramamonjy

album: Ny fanahiko, vol. 3


Misaotra anao iazahay ry Ray noho ny fitiavanao
Ny haizin - kitroka misy ahy indro fa nidiranao
Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo izay midera anao
Inona ary no havaliko Anao
Noho ireo soa efa narotsakao
Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo izay midera anao
Na dia tsy mendrika ry Ray ireto te hidera Anao
Dia notoloranao tokoa ny fanavotan - dehibe
Na dia mahantra aza re dia novidian'ny zanakao
Tamin'ny ràny izay madio mba isan'ny Anao
Inona ary no havaliko Anao
Noho ireo soa efa narotsakao
Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo izay midera anao
Dia menatra tokoa ry Ray hifanatrika aminao
Ka rehefa nody ny zanakao dia indro fa manantona
Nanery ahy izany foko resin'ny Fitiavanao
Ilay fo maniry mafy Anao ka indro hanjakao
Inona ary no havaliko Anao
Noho ireo soa efa narotsakao
Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo izay midera anao

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists