Kishore Kumar Hits

Ambondrona - Inty Aho lyrics

Artist: Ambondrona

album: 5"


Lasa ny saiko hoe

Ilay silaky ny aiko
Atomboko aiza izao ny fitaizana anao
Ho tantanako ve mba tsy hianjera

Sa avela kely mba hahay andeha irery
Tena hanao izay heriko aho
Hahatafita anao
Na sedra aza ny any aoriana
Soa lavo hahay hamindra
Mbola ho be ny ho atrehinao
Inty aho
Ho haiko anie
Ny hampita ireny
Anatra maro
Fahalalana fahendrena
Toroy aho ry Ray mba ho tena
Ray aman-dreny
(Instrument)

Be reo ratsy fanahy
Maro ireo ratsy fo
Ataovy ny tsara
Manaova ny soa
Ilay Ray ao ambony ao
Raiko sady mbola Rainao
Izy no fantaro fa Izy no miaro
Mbola ho tojo fitiavana
Rehefa any aoriana any
Raha sendra latsa-tomany
Dingana ihany izany
Raha mila manontany ianao
Inty aho
Ho haiko anie
Ny hampita ireny
Anatra maro
Fahalalana fahendrena
Toroy aho ry Ray mba
Ho tena
(Instrument)
Hanampy izay
Kely mba haiko
Fitiavana anao
Ry ilay silaky ny aiko
Toroy aho ry Ray mba ho tena
Ray amandreny
O o o o o o o o o ooooo

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists