Kishore Kumar Hits

Ambondrona - Antso lyrics

Artist: Ambondrona

album: Havaoziko


Ray
Raha niantso Anao aho
Fa resin'ny fiainana
Fay
Tsy te hiala Aminao
Fandrao lavo indray aho na tsy hay
Fa ny fo feno loto
Ilay nitalaho taminao
(Ka raiso aho)
(Raiso ho Anao)
(Fa vonona hodiovina indray)
Soa fa manana Anao
Manome toky ahy hatrizay
Fo efa lao tokoa
Ka vonona indray aho ny handray
Anao ho mpiahy
Ny fiainana hoaviko aho
(Ka miantso aho)
Hoe raha sitrakao
Ny làlako re hazavao
Ka dia ho miratra
Tsy ho maloka raha ny momba ahy
Ianao Ray no hitantana ahy
Ekeko izay avy Aminao
(Miantso Anao)
Omeo izay anjara ho soa
Ka mba manantena Anao Ray Tsitoha
Ray
Izao vavako izao
Asandratro Hiderana Anao
Fo . Eny, misaotra Anao
Noho ny fiainako hatrizay
Ianao
Ô ry Ray
No ekeko ho mpitarika ahy
(Ka raiso aho)
Raiso fa Anao
Miantso Anao mandrakizay
Ka dia ho miratra
Tsy ho maloka raha ny momba ahy
Ianao Ray no hitantana ahy
Ekeko izay avy aminao
(Miantso Anao)
Omeo izay anjara ho soa
Ka mba manantena Anao Ray Tsitoha
Ka dia ho miratra
Tsy ho maloka raha ny momba ahy
Ianao Ray no hitantana ahy
Ekeko izay avy aminao
(Miantso Anao)
Omeo izay anjara ho soa
Ka mba manantena Anao Ray Tsitoha

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

5"

2020 · album

Similar artists