Kishore Kumar Hits

Ambondrona - Havaoziko Ny Eny lyrics

Artist: Ambondrona

album: Havaoziko


Na dia fantatro aza fa
Efa any aminao any
Ity fitia nolalaina, nifampizarana
Dia
Indro hamafisiko indray
Ho an'ny ampitso rahatrizay
Hamoa izay novolena
Ho koloina ny efa nekena
Tsy an-tery ny ahy fa feo
Sy bitsiky ny fo
Hanome aina indray
Hamoa ny soa taloha
Havaoziko ny eny
Izay notanako
Ampiako ny teny
Efa iny ny foko
Omeko amangina
Aharitra hatrany
Fitia nifaliana
Indraindray tomany
(Tomany)
Izay vita no tantara
Ny ahy iriko tsy hisy fara
Fa mbola hitohy
Tsy hifankafohy
Dia
Toy ireny vao niandoha
Isan'andro, isan'ora
No anehoko fitia na maraina na ny hariva, eh
Manina foana malahelo
Te hifanila hatrany
Tsy hangatsiaka irery
Na hilaozan'ny afanana
Havaoziko ny eny
Izay notanako
Anampiako ny teny
Efa iny ny foko
Omeko amangina
Aharitra hatrany
Fitia nifaliana
Indraindray tomany
Indraindray tomany
(Indraindray tomany)
(Ooh)

Havaoziko ny eny
Izay notanako
Anampiako ny teny
Efa iny ny foko
Omeko amangina
Aharitra hatrany
Fitia nifaliana
Indraindray tomany
Ooh
Indraindray tomany
Fa izaho ho eo ihany
Hotanako ny teny
Ny foko efa nomeko, yeah yeah
Havaoziko ny eny

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

5"

2020 · album

Similar artists