Kishore Kumar Hits

Ambondrona - Aza Tsiny lyrics

Artist: Ambondrona

album: Tohizo ihany


Ireo fihetsiko indraindray
Ifonako aminao raha azo atao
Mahery fijery
Eny na fiteny
Nanenenako avokoa ireny
Ivelany ihany fotsiny ireny
Tsy avy ao am-po sanatria
Ary averiko ombieny ombieny
Azafady aza tsiny
(Niezaka aho mba ho fantatrao)
Ooh mmh mmh
(Ka aza tsiny tsy fanahy iniana)
Mba tsy ho gaga ianao rehefa any aoriana
Hitanao daholo ny rehetra
(Ooh ooh)
Na hatsarana na ny haratsian-toetra
Satria ianao tiako
Tsy hihatsarako ivelantsiny
Toa izany aho rehefa tia, yeah
Ahitsio aho raha misy tsy mety
Fa mpanota ihany
Tsy hoe tsy mety diso velively
Olona ihany aho aza tsiny, mmh
(Niezaka aho mba ho fantatrao)
Ny amiko rehetra no asehoko anao
(Ka aza tsiny, tsy fanahy iniana)
Mba tsy ho gaga ianao rehefa any aoriana
Yeah yeah

Na faly aho, na tezitra
Na malahelo koa
Tsy nataoko ho ahy irery
Hanihany, tomany
Sorisory koa
Manjary hainao avokoa ireny ka
Ahitsio aho raha misy tsy mety
Mpanota ihany, oh oh
Tsy hoe tsy mety diso velively
Olona ihany aho aza tsiny
Yeah
(Niezaka aho mba ho fantatrao)
Ny amiko rehetra no asehoko anao
(Ka aza tsiny, tsy fanahy iniana)
Niezaka aho (Niezaka aho)
Ho fantatrao (Mba ho fantatrao)
Oh oh
Aza Tsiny (Ka aza tsiny)
Tsy fanahy iniana (Tsy fanahy iniana)
Mba tsy ho gaga ianao rehefa any aoriana

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

5"

2020 · album

Similar artists