Kishore Kumar Hits

Ambondrona - Miandry Aho lyrics

Artist: Ambondrona

album: Ho Mandrakizay


Niantso aho nitady anao
Niherika nitoditodika
Maizina hody am'izay
Efa handeha ireo olona maro be
Nikaroka aho manahy sao
Efa lasa ianao
Miandry koa tony ny fo
Sao mba izaho no tonga aloha, ooh
Saika hitsena aho, mba nanantena aho
Hoe ianao efa eo niandry aho
Eh fantatro aloha, fa tsampanao ihany koa
Na amin'ny firy na amin'ny firy miandry aho
Nipetraka aho nitraka kely
Ny orana aza no mitady hamely
Naveriko ny antso
Tsisy valiny velively
Tara aho sao tsy teo ianao
Manontany tena ihany aho
Sao mantsy koa hafa kokoa
Efa olon-kafa indray no tonga aloha, ooh ah
Saika hitsena aho, mba nanantena aho
Hoe ianao efa eo niandry aho
Eh fantatro aloha, fa tsampanao ihany koa
Na amin'ny firy na amin'ny firy miandry aho

(Miandry aho)
(Miandry aho)
(Miandry aho)
(Miandry aho)
Ooh
Saika hitsena aho, mba nanantena aho
Hoe ianao efa eo hiandry aho
Fantatro aloha, fa tsampanao ihany koa
Na amin'ny firy na amin'ny firy
Miandry aho
Miandry aho
Ooh miandry aho
Ooh ooh

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

5"

2020 · album

Similar artists