Kishore Kumar Hits

Fanja Andriamanantena - Tiako Raha Ianao lyrics

Artist: Fanja Andriamanantena

album: My Best Songs For You


Tiako raha ianao
No hiombom-pifaliana
Sy eritreritra amiko
Tahaka ny fanao
Fony mbola zaza
Nihantahanta tamiko
Tiako raha ianao
No hiaraka hihira
Ireo hirako fahiny
Anteman'ny fitia
Hira tena mamy
Tsaroako ankehitriny
Tiako raha ianao
No afaka hamantatra
Ny miafina rehetra
Fa raha tsy fantatrao
D'izao no efa tao:
Tiako raha ianao.

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists