Kishore Kumar Hits

Princio - Ambohibao lyrics

Artist: Princio

album: Paradisa


Tsy hitako intsony akia izay tena marina
Ny ao anatin'ny lohabenao
Fa ny feoko ihany anie no farina (farina)
Farina be manambitamby anao
Tena sarotra loatra raha takarina
Ireo harena be tadiavinao
Ahafahantsika mba manarina (manarina)
Izao gidragidra lavareny izao
Aiza no hahatakarako 4 e
Izay tômôbilina be tadiavinao
Rehefa tsy handeha bus ianao dia mi-battre (mi-battre)
Mi-battre irery hatrany Ambohibao
Farafahalikamatiny ianao mba miasa
Dia afaka mba manao izay sitrakao
Fa tsy voretaka be no sady mikasa (mikasa)
Mikasa hividy an'izao rehetra izao
Ny tabatabanao efa mankarenina
Milelalela lava sady mi-scene
Tsisy mba vitanao afatsy mimenomenona mipenompenona
Tena mahasosotra mihitsy ianao leitie
Tena tsy hitako intsony tsy hitako intsony izay mba zavatra tadiavinao
Tena tsy vitako intsony tsy vitako intsony
Tsy vitako intsony ilay revin-gadranao
Tena tsy hitako intsony tsy hitako intsony izay mba zavatra tadiavinao
Tena tsy vitako intsony tsy vitako intsony tsy vitako intsony
Fa ny azo atao dia averiko amin'ny havanao ianao
Tsy hitako intsony akia izay tena marina
Ny ao anatin'ny lohabenao
Fa ny feoko ihany anie no farina
Farina be manambitamby anao
Tsy possible anefa aleo dia tsorina
Hanao izay revin-gadranao
Tianao hohenjikenjehina hosamborina
Izao revina mpanankarena rehetra izao
Lafo loatra anie fa tena sanina (sanina)
Ireo jean ambony ambany tadiavinao
Rehefa tsy hividy fripy ianao dia mijanona (mijanona)
Miboridana be hatrany Ambohibao
Farafahalikamatiny ianao mba mikandra
Dia afaka mba manao izay sitrakao
Fa tsy voretaka be mivandravandra
Mitsiriritra an'izao rehetra izao
Ny tabatabanao efa mankarenina
Milelalela lava sady mi-scene
Tsisy mba vitanao afatsy mimenomenona mipenompenona
Tena mahasosotra mihitsy ianao leitie
Tena tsy hitako intsony tsy hitako intsony izay mba zavatra tadiavinao
Tena tsy vitako intsony tsy vitako intsony
Tsy vitako intsony ilay revin-gadranao
Tena tsy hitako intsony tsy hitako intsony izay mba zavatra tadiavinao
Tena tsy vitako intsony tsy vitako intsony tsy vitako intsony
Fa ny azo atao dia averiko amin'ny havanao ianao
Tena tsy hitako intsony tsy hitako intsony izay mba zavatra tadiavinao
Tena tsy vitako intsony tsy vitako intsony
Tsy vitako intsony ilay revin-gadranao
Tena tsy hitako intsony tsy hitako intsony izay mba zavatra tadiavinao
Tena tsy vitako intsony tsy vitako intsony
Tsy vitako intsony fa ny azo atao dia averiko amin'ny havanao ianao

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists