Kishore Kumar Hits

Justin Vali - Masoala lyrics

Artist: Justin Vali

album: Valiha


Taloha ela be hono tety ambany lanitra
Dia nifidy toerana ny zanak' Andriamanitra
Mba hialany sasatra, hijereny ny asa vitany o
Tao Masoala no toerana voafidiny
Dia hitan' Andriamanitra ny endriky ny saha
Maha-te ho tia sady maha-te hizaha
Novorian' Andriamanitra ny ala eran-tany oa
Tao Masoala no nanaovany an'izany
O, patrapatrak'ala
O, tao Masoala
Ingahy Baobab no voaositra ho filoha
Satria mahay milanja no mahay miloloha
Mpanjakavavy kosa dia ny Ravinala oa
Satria tsara bika no ravaky ny ala
Mpanjaka Be Ny Tany no nitana ny fanilo
Nametrahana hafatra ary koa nitadidy
Mandrava Sarotra natao ho mpitsabo oa
Satria manasitrana ny aretina mahazo
O, patrapatrak'ala
O, tao Masoala
Re olona o, re olona o
Arovy re ny ala sao itondrana fahoriana
Re olona o, re olona o
Ny nenina anie tsy ao aloha fa ao aoriana
Rehefa vita izany dia hoy Zanahary o
Omeko hasina ianareo ry zava-boary
Maniria ny maro, mamenoa ny tany
Satria ianareo no hoavin'ity tany
Tanteraka tokoa anie izao ny faniriako
Omeko anareo ny ranomasom-pifaliako
Ny patrak'ala kosa no atao ho fambara o
Io no famantarana mipetraka ho tantara
O, patrapatrak'ala
O, tao Masoala
Tonga kosa hono ny zanak'olombelona
Tapitra ny ala sady nody ho lavenona
Sarotra hatoro, sarotra tenenina o
Aoriana kely anie ho tratry ny nenina
Ny patrapatrak'ala efa tsy mipatrapatraka
Fa efa voasinton'ilay enton'ny habakabaka
Mazava ho azy fa ny ala raha vao lany e
Tapitra hatreo anie ny tantaran'ny tany
O, patrapatrak'ala
O, tao Masoala
Re olona o, re olona o
Arovy re ny ala sao itondrana fahoriana
Re olona o, re olona o
Ny nenina anie tsy ao aloha fa ao aoriana
O, patrapatrak'ala
O, tao Masoala
O, patrapatrak'ala
O, tao Masoala oa a a.

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists