Kishore Kumar Hits

Mr Sayda - Allô lyrics

Artist: Mr Sayda

album: Allô


Hariva manirery,
Sendra tafijery
Ilay sarintsika roa tany Ampefy
Fony mbola zazakely
Na dia mbola zaza
Na dia mbola kely
Dia efa ianao foana no tadiaviko rehefa manao fangalam-piery
Efa niezaka anadino aho na dia mafy
Efa vazaha be izay ianao iny any andafy
Oh, allô,
Sendra malahelo
Ka mba te haheno,
Ilay feonao malefaka
Oh allô,
Sendra malahelo
Ka mba te haheno
Mangina ka mba te hiresaka

Ekeko fa hoe vazivazy
Kanefa ny foko mba tena korazy
Nataon'ny lerony vadinao aho rehefa
Tsika milalao mariazy mariazy
Tao am-piangonana rehefa alahady
Ny masontsika roa mifampitady
Jesoa nahita ny fitiavantsika fa mifamatotra toa misy tady
Efa niezaka ny hanohatra aho fa tsy haiko
Ilay fitiavanao iny mihitsy anie no ilaiko
Oh allô
Sendra malahelo
Ka mba te haheno, ilay feonao malefaka
Oh allô
Sendra malahelo
Ka mba te haheno,
Mangina ka mba te hiresaka
Na souvenirs efa taona maro
Aleo ny foko mba hahatsiaro
Pejy iray notehiriziko ianao iny
Fa tsy hoe ny tantara nandalo
Mirary soa hoan'ny zanakao roa ô
Ho an'ilay vadinao ihany koa
Aza hadino ny mampatsiahy anazy
Fa sambatra izy manana anao
Oh allô
Sendra malahelo
Ka mba te haheno, ilay feonao malefaka
Oh allô
Sendra malahelo
Ka mba te haheno,
Mangina ka mba te hiresaka
Oh allô
Dia ity ilay numero
Rehefa malahelo any aoriana ka mba te hiresaka
Oh allô
Izaho miandry anao eto
Feno sentosento
Na efa haiko fa tsy ho tanteraka

Efa niezaka hanadino aho na dia mafy
Efa vazaha be izay ianao iny any andafy e

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists