Kishore Kumar Hits

Mr Sayda - Diary Volamena lyrics

Artist: Mr Sayda

album: Mr Sayda Best


Indray andro ny fiainako
Efa latsaka ambany
Tsy nisy andro miratra
Rakofan-tomany
Tsy nanana ifikirana fa
Tokana irery
Nataon'ny fasambarana fangalam-pery
Toy ny rôzy indray maraina
Izay mamelana eee
No nahitako anao iny
Niserana eee
Fitiavana mafonja naka toerana eee
No nomenao anah ka mankasitraka e
Fitia miredareda toa donak'afo
Fitia tsy misy mpanana ka vidiko lafo
Tsy hitady any ankafa fa efa ampy ahy ianao
Ilay navita namafa ny alaheloko hatram'zao
Izay nomenao rehetra isaorako ny avo
Fitiavana mamikitra mba tsy ho lavo
Tsy hitady any ankafa fa efa ampy ahy ianao
Ilay navita namafa ny alaheloko hatram'zao
Indray andro ny fitiavako efa saika hatory
Efa saika hatory ka tsy hifoha intsony
Masoandro miposaka aza tsy hitako intsony
Sa ve tsy nandalo tety sa ve ny foko no efa ory
Mba aiza ilay anjarako sa ve mbola any ho any e
Fa ny masoko efa bongobongon'ny sento sy tomany e
Fitiavana mafonja naka toerana eee
No nomenao anah ka mankasitraka eee
Fitia miredareda toa donak'afo
Fitia tsy misy mpanana ka vidiko lafo
Tsy hitady any ankafa fa efa ampy ahy ianao
Ilay navita namafa ny alaeloko hatram'zao
Izay nomenao rehetra isaorako ny avo
Fitiavana mamikitra mba tsy ho lavo
Tsy hitady any ankafa fa efa ampy ahy ianao
Ilay navita namafa ny alaheloko hatram'zao
Hitsiky irery aho any aoriana any rehefa mahatsiaro izany
Yeaah
Isaorako ny any ambony fa nisy anao teto antany e
Ooh
Diary volamena mitondra ny anaranao
Ao anatiny kosa sary mirakitra ny hatsaranao
Ireo zanantsika kely eo an-tokotany milalao
Fitia miredareda toa donak'afo
Fitia tsy misy mpanana ka vidiko lafo
Tsy hitady any ankafa fa efa ampy ahy ianao
Ilay navita namafa ny alaheloko hatram'zao
Izay nomenao rehetra isaorako ny avo
Fitiavana mamikitra mba tsy ho lavo
Tsy hitady any ankafa fa efa ampy ahy ianao
Ilay navita namafa ny alaheloko hatram'zao

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists