Na varatra aza hipoaka tsy mahakasika ahy Na tafiotra hitsoka tsy handrodana ahy Satria fantatro fa 'zah misy mpiahy Antsoy aho hoy Ianao dia ho valiako Tsy mila Andriamanitra hafa aho f'Ianao no tiako Tsy hanan-java-mahory aho rehef'Ianao no hitantana ahy Matoky Anao aho, tantano aho 'Ty iraho aho, amin'izay lalanao Ka mba tsolovy jiro mazava ihany aho Fa olombelona mora solafaka aho Fanilo ny tongotro ny teninao, hazavana mamiratra Anaty aizim-be, aizim-pito, tsy hay hifankahitana Jehovah hiady ho anareo fa nareo kosa hangina Matokia dia mangina, ampelatanany anie ny hoavinao Jehovah hiady ho anareo fa nareo kosa hangina Matokia dia mangina, ampelatanany anie ny hoavinao Izy no lalana sy fahamarinana e Raiso ny tanany dia hamirapiratra Ampatsiahiviko anao fa ianao dia zanany Jereo ny halehibiazany 'Zao tontolo izao aza vitany tao anatin'ny andro fito Tsy takatry ny saina mintsy oe hatraiza mo 'zany Fa tena lehibe loatra tsy takatry ny saina Miara-miarak'Aminy dia raiso ny tanany Avelao ho tatanany, mipetraha eo amin'ny ankavany Dia ho hitanao 'zany hasambarana mandrakizay Jehovah hiady ho anareo fa nareo kosa hangina Matokia dia mangina, ampelatanany anie ny hoavinao Jehovah hiady ho anareo fa nareo kosa hangina Matokia dia mangina, ampelatanany anie ny hoavinao Jehovah hiady ho anareo fa nareo kosa hangina Matokia dia mangina, ampelatanany anie ny hoavinao Jehovah hiady ho anareo fa nareo kosa hangina Matokia dia mangina, ampelatanany anie ny hoavinao (Vocalise)