Kishore Kumar Hits

Rak Roots - Ahy lyrics

Artist: Rak Roots

album: INSPIRAKROOTS


Tadrifin-drahona hono malala ny fitiavantsika
Indraindray maloka
Indraindray koa manorana
Fa tsy misy olana
Tsika no manazava
Raha za no diavolana, ianao kintana mandravaka a
Betsaka ihany ireo akia raha ireo tantaratsika
Nandalovana ny ady mafana sy ny mangatsiaka
Fa mbola eto foana e
Tsika roa samy tsy hiala
Diso ve ny tena raha hiteny hoe
Izaho maka antsika
Ampitsikina no hilazako fa
Valimbavako ianao e
Fanomezana avy ao ambony ao
Nomenao ahy ilay tena notadiavako
Tena nomeny e
Misaotra anao Ray
Ahy ny malalako, ary azy aho
Zaho ho anao, ianao ahy
Ahy ny malalako, ary azy aho e
Ny foko omeko e
Nenao koa omeo an'ahy
Ahy ny malalako, ary azy aho e
Zah ho anao, ianao ahy
Ahy ny malalako, ary azy aho e
Foko omeko e
Nenao koa omeo an'aaahy

Anio ianao dia hilazako ny tsiambarateloko
Efa navadibadiko im-pito ny lelako ô
Foko no avelako hiteny fa ny hafa aloha ferako
Mombamomba ny ho avitsika no mandany ny lerako
Dia manomboka eto ary inty ny tantaratsika
Andriamanitra Ray be fitiavana no hitantana antsika
Dia atolory ahy ny tananao e
Tena faly aho manana anao e
Ampitsikina no filazako fa
Valimbavako ianao e
Fanomezana avy ao ambony ao
Nomenao ahy ilay tena notadiavako
Tena nomeny e
Misaotra anao Ray

Ahy ny malalako,ary azy aho
Zah ho anao, ianao ahy
Ahy ny malalako, ary azy aho
Foko omeko e
Nenao omeo an'aaahy
Ahy ny malalako,ary azy aho
Zah ho anao, ianao ahy
Ahy ny malalako, ary azy aho e
Foko omeko e
Nenao omeo an'ahy
Ahy ny malalako,ary azy aho
Zah ho anao, ianao ahy
Ahy ny malalako, ary azy aho e
Foko omeko e
Nenao omeo an'aaaahy

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists