Kishore Kumar Hits

Mage 4 - Very Namana lyrics

Artist: Mage 4

album: XXV


Mampatsiahy anao hatrany
Sy izay lasa izay
Ilay toerana iray
Fihaonana aminao
Fahanginana sisa
Sy embona anao
Tsy re intsony ilay feonao
Lasa nandao

Ny aliko hatramin'izao
Feno alahelo anao
Fa efa nilaozanao
Manjombona avokoa mangahiahy hatramin'izao

Mandry tsy hifoha any ianao
Marary ny fo nilaozanao
Manganohano tsy hay tohaina
Tsy mety mitony
Fa te hanantena ilay fiverenanao

Ireo fiarahana tsy hay hadinoina
Fa mamy tokoa
Ilay mozikantsika iny
Miraikitra ao am-po
Vavaka sisa
No asandratray
Mba hampitony
Ireo tsiahy mameno fanahy

Mandry tsy hifoha any ianao
Marary ny fo nilaozanao
Manganohano tsy hay tohaina
Tsy mety mitony, "very namana aho"
Mandry tsy hifoha any ianao
Marary ny fo nilaozanao
Manganohano tsy hay tohaina
Tsy mety mitony "very namana aho"
Mandry tsy hifoha any ianao
Marary ny fo nilaozanao
Manganohano tsy hay tohaina
Tsy mety mitony
Fa te hanantena ilay fiverenanao

Ho sambatra ianao

Efa nanana anao

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists