Kishore Kumar Hits

Mage 4 - Lafatra lyrics

Artist: Mage 4

album: XXV


Raozy ity maha te ho tia ilay endrikao
Fa tsara loatra, manintona ahy, ianao no lafatra
Mambabo ny manodidina ny toetranao
Tsy miavona fa feno tsiky ny fiainanao
Raozy ity maha te ho tia ilay endrikao
Fa tsara loatra, manintona ahy, ianao no lafatra
Mambabo ny manodidina ny toetranao
Tsy miavona fa feno tsiky ny fiainanao rehetra
Ianao no deraina
Tsy tantiko ny hamela anao tsy ho namako
Mangovingovitra aho mahita anao
Misy tsy haritry ny ao anatiko ao
Hanatona anao aho izao dia izao
Hisedra ny herinao, hitory fitiavana
Mangovingovitra aho mahita anao
Misy tsy haritry ny ao anatiko ao
Hanatona anao aho izao dia izao
Hisedra ny herinao, hitory fitiavana
Vao mangiran-dratsy any aho dia hiaritra
Ny hatsiaka sy ny andro maraina eo am-baravaranao
Hivimbina ilay fitia sy handohalika
Hitsena ilay marainanao feno fanantenanana
Te ho anao aho, omeo ahy ireo teny mifono hasambarana
Mangovingovitra aho fihininao
Natao ho ahy ny ampitsonao
Omeko anao izao tontolo izao
Ka aza manana ahiahy amin'ny ho avinao
Mangovingovitra aho fihininao
Natao ho ahy ny ampitsonao
Omeko anao izao tontolo izao
Ka aza manana ahiahy amin'ny ho avinao

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists