Kishore Kumar Hits

D-Lain - Ato Am-Ponay Foana lyrics

Artist: D-Lain

album: Ato Am-Ponay Foana


Indreto izahay tonga mivory
Manodidina anao
Ny fonay torotoro eee
Noho ny amin'ny fahalasanao
Vao omaly ianao no teto
Vao niaraka nisakafo
Androany ianao niampita
Ho an'ny amin'ny toerana avo
Injay fa miakatra ireo tsiaro ô,
Mibosesika ato an-doha
Ny tava kotsan-dranomaso,
Izay ilay fiainana fa ho aiza moa
Injay fa miakatra ireo tsiaro ô,
Mibosesika ato an-doha
Ny tava kotsan-dranomaso,
Izay ilay fiainana fa ho aiza moa
Ka mandra-pihaona e
Fa tsy hoe mandrakizay
Mbola hihaona anie isika e
Raha izay no lahatry ny Ray
Zahay kosa handroso ô
Fa tsy manadino anao
Manantena sy matoky e
Hahita indray ilay tsikitsikinao
Tsy ho mora ny hameno
Ireo banga nisy anao
Ireo soa vitanao,
Nanampy fatratra, misaotra anao
Ka na aiza na aiza, hoy aho, ianao tsy hadino e
Mankahery ahy ny mahatsiaro anao
Matoa aho miaritra sy sahy mijoro e
Dia noho ianao izany, noho ianao
Injay fa miakatra ireo tsiaro ô,
Mibosesika ato an-doha
Ny tava kotsan-dranomaso,
Izay ilay fiainana fa ho aiza moa
Ka mandra-pihaona e
Fa tsy hoe mandrakizay
Mbola hihaona anie isika e
Raha izay no lahatry ny Ray
'Zahay kosa handroso ô
Fa tsy manadino anao
Manantena sy matoky e
Hahita indray ilay tsikitsikinao
Ka mandra-pihaona e
Fa tsy hoe mandrakizay
Mbola hihaona anie isika e
Raha izay no lahatry ny Ray
'Zahay kosa handroso ô
Fa tsy manadino anao
Manantena sy matoky e
Hahita indray ilay tsikitsikinao
Manantena sy matoky e
Hahita indray ilay tsikitsikinao

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists