Kishore Kumar Hits

Nate Tex - Tsara Tso-drano lyrics

Artist: Nate Tex

album: Zara-Kanto


Aza aterina akory fa efa hoe hita ny làlana mody Dia
Ianao aloha toneo koa ny fo sanatria raha hoe hiantso tody
Fa fitiavana tsy hifanerena ka lasa izy aleo koa handeha
Rehefa izay ve ny tiana, veloma ry 'tony fa ianao ko ve handà
'Lay toky nomena najary any an-kafa no lasa nitoetra Dia
Ilay hoe "Tiako ianao" sofina hafa indray izao no mihaino azy
Ianao tsy hanenina fa ho tantara ny vita rehetra
Veloma indray aloha ny anio fa tsy ho ahy ianao
Dia izao 'ndray no tadidio fa nanome ny tsara indrindra aho
Nefa ilaina ny hatsiaka na dia mamirifiry
Mbola arora anie ny faikany na mamy ary ny fary
Dia izao no tsarovy
Nafoiny
Tsara tso-drano ianao
Fa fitia vao omaly navelany hamono ilay afo nafana Dia
Ilay fo feno anao nampodiany nahatofoka, tsy nahatamana
Na voady nekena narodany, ianao hony tsy afaka intsony
Ka naleony nanidina fa hary elatra hono ny fony
Ilay toky nomena najary any ankafa no lasa nitoetra
Dia ilay hoe "Tiako ianao" sofina hafa indray izao no mihaino azy
Ianao tsy hanenina fa ho tantara ny vita rehetra
Veloma indray aloha ny anio fa tsy ho ahy ianao
Dia izao 'ndray no tadidio fa nanome ny tsara indrindra aho
Nefa ilaina ny hatsiaka na dia mamirifiry
Mbola arora anie ny faikany na mamy ary ny fary
Dia izao no tsarovy
Nafoiny
Tsara tso-drano ianao

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists