Kishore Kumar Hits

Alalà - Vero lyrics

Artist: Alalà

album: Eo Ary


Toa rahona mainty nanako masoandro ahy raha ny andro tsara ianao Vero.
Tandrifin-draho nanorana an-tafoko tôla vaky mitehateha ianao Vero.
Toa rahona mainty nanako masoandro ahy raha ny andro tsara ianao Vero.
Tandrifin-draho nanorana an-tafoko tôla vaky mitehateha ianao Vero.
Ilay volonao nikopaka, toa onja nandrava ilay lakana nitatitra ahy.
Ny ohotànanao maranitra, nandrovitra ny arato sisa ananako izay.
Toa rivomahery am-pararano nanimba ny tany famboleko ianao Vero.
Andiam-balala nandrigatra ny tanin'ny
Katsaka fihinako andavanandro ianao Vero.
Toa rivomahery am-pararano nanimba ny tany famboleko ianao Vero.
Andiam-balala nandrigatra ny tanin'ny
Katsaka fihinako andavanandro ianao Vero.
Ilay masonao nirehitra,
Toa doro tanety nandoto ilay rivotra mamelona ahy.
Ny kakakakanao nirefotra,
Nampitsanga-mandry ireo mponin'Ambohimitsilay.
•••
Toa sedra sendra naneho mazava an'ireo fahalemeko takona ianao Vero.
Zavakanto namelona indray ireo
Fihetseham-poko niafina tao ambadika tao ianao Vero.
Toa sedra sendra naneho mazava an'ireo fahalemeko takona ianao Vero.
Zavakanto namelona indray ireo
Fihetseham-poko niafina tao ambadika tao ianao Vero.
Mpivahiny avy lavitra, nanova ireo kolontsaiko sy fombako fahizay.
Anio ianao toa soratra, nanova ilay bokin-tantara mirakitra ahy.
Ouhhh ouuuh ouuuh ouuh...

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists