Kishore Kumar Hits

Mika & Davis - Ampindramo ahy lyrics

Artist: Mika & Davis

album: Ravoravo


Raha tsy foinao ho ahy tanteraka e
Ny aminao rehetra rehetra
Ampindramo ahy vetivety foana
Ny tananao, ny fonao
Rehefa aoriana kely ao
Raha toa ka ho reraka
Ankino amiko tsisy fetra
Ny fiainanao, ny fiainanao
Raha tsy avela ho ahy tanteraka e
Ny momba anao rehetra rehetra
Ampindramo ahy vetivety foana
Ny sandrinao, ny nofinao
Rehefa aoriana kely ao
Jereo fa hiaraka e
Ny fiainako
Ny fiainanao
E sambatra aho sambatra aho
Voafihinao voasafonao ny tanako
Takariko ny lanitra raha tratrako
Ianao no fiainako
Na ho ela na ho aingana
Ny fotoana iainako
Raha tsy omenao ahy mihitsy anie
Ny fiainanao rehetra rehetra
Ampindramo ahy vetivety foana
Ny fitiavanao ny fonao
Izaho anie tsy hangalatra e
Miera aho vao mandray
Raha omenao, raha omenao
Raha tsy avela ho ahy tanteraka e
Ny mombamomba anao rehetra
Ampindramo ahy vetivety foana
Ny sandrinao ny nofinao
Rehefa aoriana kely ao
Jereo fa hiaraka e
Ny fiainako
Ny fiainanao
E sambatra aho sambatra aho
Voafihinao voasafonao ny tanako
Takariko ny lanitra ra tratrako
Ianao no fiainako
Na ho ela na ho aingana
Ny fotoana iainako (Dramo, Ampidramo)
Ampidramo, Ampidramo
Sambatra aho sambatra aho
Voafihinao voasafonao ny tanako (Dramo, Ampidramo)
Takariko ny lanitra tsy tratrako
Ianao no fiainako (Ampidramo, Ampidramo)
Na ho ela na ho aingana ny fotoana iainako (Ampidramo, Ampidramo)
Ampidramo, Ampidramo (Ny foanao)
Ampidramo, Ampidramo (Nofinao)
Ampidramo, Ampidramo (sandrinao)
Ampidramo, Ampidramo (vety vety foana ane)
Ampidramo, Ampidramo (Ny foanao)
Ampidramo, Ampidramo (Nofinao)
Ampidramo, Ampidramo (Ny tananao)
Ampidramo, Ampidramo
Ampidramo, Ampidramo

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists