Kishore Kumar Hits

Kiaka - Aza omena tsiny lyrics

Artist: Kiaka

album: Best of Kiaka


Vao nanomboka dia tsara fiandohana
Ny fiarahana
Tsy nieritreritra izay hiafarana
Noho ilay fitiavana
Toa vita daholo izay rehetra mba niriana sy niezahana
Na ny tsy mety na ny tsara nifaliana, noho ilay fitiavana
Toetra tsy anananao
Izay indray izao no iainanao
Mandeha mankatsy, mandeha manketsy
Tsy fanao
Aza omenao tsiny aho
Raha toa ka
Tsy ho any aminao
Fa ny fitiavana tsy atao toy izao
Niova hono ianao
Niova tsy toy ny taloha
Manao izay tianao atao
Izay no masaka andoha
Toetra tsy anananao
Izay indray izao no iainanao
Mandeha mankatsy
Mandeha manketsy
Tsy fanao
Aza omenao tsiny aho
Raha toa ka
Tsy ho any aminao
Fa ny fitiavana tsy atao toy izao

Поcмотреть все песни артиста

Other albums by the artist

Similar artists